ActualitésTatitra

France : Mitohy ny fanadihadiana taorian’ny fifampitifirana tao Marseille

Nisehoana tranga fifampitifirana indray tao amin’ny boriboritany faha-14 tao Marseille ny alin’ny 24 desambra teo. Tao amin’ny efitra fidirana voalohan’ny trano lehibe iray no niseho ny tranga ary olona telo no naratra nandritra izany.

Tovolahy 23 taona iray no voatifitra in-3 tamin’izany, tovovavy 21 taona kosa ny faharoa izay voa teo amin’ny tanany ary tovolahy 18 taona no voatifitra fahatelo. Raisina an-tanana ao amin’ny hopitaly Nord moa ireo niaran-doza ireo.

Olona teo kosa no voarohirohy amin’io raharaha io. Nanao saron-tava izy ireo ary nitsoaka taorian’ny fifampitifirana. Efa manadihady kosa ny manam-pahefana manoloana ny tranga.

Laisser un commentaire