SportTatitraTsidika

Barean’i Madagasikara : Mila ampiana ny ezaka.

Raraka, tsy tafiakatra amin’ny lalao “Coupe d’Afrique des Nations” na CAN ny Barea izay ekipam-pirenena Malagasy. Kivy ny ankamaroan’ny Malagasy, kivy ihany koa ny mpilalao ary kivy ihany koa ny mpanazatra. Misy tamin’ireny mpilalao ireny manko no mety nilalao farany ho an’ny ekipa nasionaly teo. Na izany aza anefa efa niady sy tena nikaroka ny fandresena izy ireo saingy Tena sahirana tamin’ny fampidirambaolina tamin’ny lalao roa farany. Betsaka kosa anefa ireo mpilalao tena nahafapo ny fiasany na dia izao aza vao hita tao anaty ekipa. Betsaka ny fanatsarana tokony hatao hoy I Nicolas Dupuis ary efa miomana sahady isika amin’ny fiadiana ny tompon-daka maneran-tany manomboka ny volan aJiona izao. Noho izany tsy misy fiatoana intsony fa mitohy sahady ny ezaka dieny izao. Tafiditra ao anatin’ny vondrona J i Madagasikara izay ahitana an’I Tanzanie, RDCongo ary Bénin. Ny CAN ho amin’ity taona ity no tapitra hatreo fa ny amin’ny taona ho avy mbola betsaka, azo harenina amin’ny lalao manaraka izay handraisana anjara ireny rehetra ireny. Mila manao ezaka ihany koa anefa ny fanjakana ny amin’ny fitazomana ireo ekipa Nationaly sy hanaraka ny fenitra amin’y maha ekipam-pirenena azy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire