SocialTatitra

Chine : Tatitra ataon’ny OMS momba ny fiandohan’ny fifindran’ny coronavirus tamin’ny olombelona

Nahafaty olona maherin’ny 2,8 tapitrisa maneran-tany ny aretina coronavirus tao anatin’ny 15 volana. Aretina izay nipoitra tao amina tanàna iray atao hoe Wuhan ao Chine. Nanao fanadihadihana mikasika ny tena niandohan’ity aretina ity sy ny fomba nifindrany tamin’ny olombelona ny tao amin’ny OMS ny 14 janoary hatramin’ny 9 febroary lasa teo. Manam-pahaizana maro eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena araka izany no tonga tao Wuhan ka nampahafantatra ny fehin-kevitr’izy ireo. Araka ny tatitr’izy ireo, vinavinaina fa mety ho avy amin’ny fikasohana sy fifandraisan’ny olombelona amin’ny biby fiompy ao an-tokatrano no antony. Eo ihany koa ny ramanavy, sy ireo karazam-biby hafa tsy voafaritra tsara. Azo antoka nefa ny fifindrany avy amin’io biby iray io. Nisy ihany koa ny fanambarana nandritra io fihaonana io nilazana fa tsy avy ao Chine velively ny tena niandohan’ity aretina ity fa avy amina sakafo azo tehirizina ela ireny izay niniana nalefa an-toerana. Tsy mbola tena tapa-kevitra amin’ireo fehin-kevitra ireo nefa ny tompon’andraikitry avy ao amin’ny OMS. Ezahina ho atao faran’izay haingana kosa hoy hatrany izy ireo ny hamoahana ny vontoatin’ny fanadihadiana rehetra natao tany Wuhan, mba ahafahan’ireo mpikaroka sy manam-pahaizana siantifika hamantatra ny fisorohana ireo aretina mety mbola ho avy.

Laisser un commentaire