Ny finiavana sy ny filofosana no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana
Samihafa ny olona nianatra sy ny tena nianatra. Samihafa ihany koa noho izany ny olona manam-piniavana hianatra sy ny olona mianatra an-tery. Tsy hitovy mihitsy ny zavatra mety ho vitan’ireo arak’izany. Antony : tafita ny olona iray rehefa mikiry, ary afaka mirehereha soamantsara noho ny traikefa ananany amin’ny andaniny. Ankilany, tsy afaka hirehareha ilay mpianatra tsy manam-piniavana noho ny tsy fananany traikefa satria zatra notolora-potsiny foana.
Betsaka tokoa ny mpandraharaha eto amin’ny Nosintsika ankehitriny saingy maro karazana izy ireny. Samy nanana ny dingana nolalovany izy tsirairay avy ireny vao tonga amin’ny toerana maha mpandraharaha azy. Tao ohatra ny nikiry sy niezaka mafy vao tonga amin’io toerana io ary tao kosa ny tonga ho azy tsy amin-kasarotana. Raha dinihina, be traikefa kokoa ary efa mafy ilay zatra nikiry noho ny faharetana nananany ka nahatongavany amin’ny toerana maha mpandraharaha azy. Ilay olona iray kosa, tsy mba zatra niaritra ary tsy manam-paharetana mazava ho azy rehefa misy tranga mahazo tampoka. Raha fintina, tsy mbola vita sedra ilay karazan’olona faharoa.
« Ho anay manokana, tsy dia manana harena na vola be homena any ny ray aman-dreninay dia izay no mahatonga any milofo mafy amin’ny fianarana toy izao mba ahazoana asa tsara » hoy i Ranto, zanaky ny olona manana fari-piainana amin’ny antonony. « Na tsy hianatra intsony aza aho mahita toerana amin’ireny orinasa lehibe ireny foana ary tsy ahalany ny lova be avy amin’ireo ray aman-dreniko izany » hoy kosa i Faniry, zanaky ny mpanan-karena.
Manazava kosa anefa i Lisa Amos, mpandalina iray, fa « ny mpandraharaha dia tsy mahomby in-3,8 eo ho eo alohan’ny hahombiazany. Ny mampiavaka azy ireo amin’ny hafa dia ny fikirizany ». Hafa ny olona manana fikirizana vao tafitra noho ny olona miandry tolorana foana.
Tokony ho samy tonga saina ny olona tsirairay, indrindra ireo izay mbola eo amin’ny sehatry ny fianarana ka hanana fikirizana hatrany manoloana ny zavatra mitranga. Kanefa, ny fahalavoana tsy maintsy misy fa ny tena izy dia ireo izay mikiry hiharina sy ho tafita hatrany na inona na inona zava-miseho. Arak’izany, mety halala-tsaina ny mpianatra rehetra ka hahatakatra ny valisoa azo avy amin’izany fikirizana izany.
Miangaly Rasoamihajamanana
