Conseil

Asehoy ny fahaizanao rehetra fa aza misy avela

Maro amintsika ankehitriny no diso mifantoka loatra amin’ny tahotra ka na tokony ahavoaka zavatra tsara aza dia lasa very maina foana izany. Anisan’ny sakana lehibe tsy mampandroso ny tahotra ka mila toherina. Miteraka tsy fahombiazana eo amin’ny sehatra maro mantsy izy io ary tena manimba raha tsy ezahana resena.

Avoahy izay fahaizana sy talenta rehetra hanananao fa aza misy afenina na dia kely aza. Ekena fa sarotra ny manatanteraka izany saingy mila fahasahiana vao tafita eo amin’ny fiainana. Mety hampandroso ary ahalasa lavitra anao manko izany fahasahiana anananao izany. Noho izany, mila manome sy manolotra mihoatra noho ny angatahina foana mba ahatsapan’ny olona fahafahanao manao zavatra iray. Ohatra akaiky sady tsotra fotsiny izao, raha asaina mihazakazaka ianao ka tokony ahavita fihodinana roa ao anatin’ny iray minitra; tsy mipaika akory ny fe-potoana nomena dia vitanao ilay hazakazaka. Izany no atao hoe manome mihoatra izay nangatahina. Azo ambara fa tena manana tanjaka tokoa ilay olona nanao ny hazakazaka teo raha dinihina. Aza ferana noho izany ny fahaizanao sy ny fampisehoana ny herin’ny tenanao fa mahatonga lavitra izany.

« Manatratra ny tanjona izay apetraka eo anoloako foana no tena imasoako » hoy i Miantsa, mpianatry ny oniversite. « Tsy ny tanjona tratrako no zava-dehibe amiko fa ny heriko manontolo izay nomeko mba ahatongavana tamin’izany  » hoy kosa i Gisto, mpianatra ihany koa. Raha tsy hiteny fotsiny ny fahabetsahan’ny vina izay notanterahin’ny Filoham-pirenena ohatra, tsapa ary hita fa nanome mihoatra noho ny nandrasana izy.

Te-hanilo ny saintsika tsirairay avy arak’izany ity manam-pahaizana iray ity, Larry Page (anisan’ny nanangana ny Google), ka milaza izao teny manaraka izao « manomeza hatrany mihoatra noho izay andrasana aminao ». Zava-dehibe izany teny izany ary teny misy heviny lehibe raha dinihina. Andramo visavisaina sy tanterahina anie izany dia ho hitanao tsy ho ela ny vokany.

Misy fetrany avokoa ny zavatra rehetra ary tsy afaka hanome ny tsy misy isika. Saingy, azo atao tsara ny manome izay rehetra anananao mba hitsarana ny zava-bitanao ka tsy hanamelohina na hanesoana anao loatra. Noho izany, aza menatra maneho ny fahaizanao manontolo fa hampahomby anao izany. Mety hiteraka voka-dratsy eo amin’ny sehatra maro ve ny fampisehoana ny talentanao manontolo raha ampiasainao am-pahamendrehana izany ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire