Fitampoha : Fomba Malagasy hita any amin’ny foko Sakalava
Fomba iray mbola ataon’ny mponina any amin’ny faritra misy ny Sakalava rehetra any ny Fitampoha. Toy ny fomba rehetra dia samy manana ny fomba fankalazany sy fanatanterahany azy ny tsirairay.
Isaky ny 5 taona eo ho eo no hanaovana izany fitampoha izany ary any Belo Tsiribihina any nio teorana tena fanaovana azy. Ny fitampoha dia fotoana iray hampandroana ireo Dady. Ny Dady indray dia ireo olobe sy olona manan-kasina teo amin’ny tanàna ary efa lasan-korazana. Mandritra io fitampoha io ny fotoana fampandroana ireo taolam-balo sy ireo fitaovana rehetra nampiasain’izy fony fahavelony.
Mialohan’ny fanatanterahana ny fampandroana ireo Dady ireo dia misy ny fomba fomba hafa izay hatao ho an’ny olona izay manatrika. Marihina moa fa ny Fitampoha dia tsy mialon-jafy fa afaka manatrika avokoa ny olona rehetra na gasy na vahiny ary afaka manao ny fomba rehetra sy miaina ny fomba rehetra hatao mandritra izany. Misy fotoana iray mandritra ny Fitampoha natao hangataham-pitahiana sy hangatahana tso-drano amin’ireo Dady amin’ny alalan’ireo « Sazoky », ireto farany izay olombelona hitoeran’ny fanahin’ireo Dady ka afaka manolotra tso-drano ho an’ireo izay mangataka sy mino izany.
Aorian’ny fangataha-tsodrano dia miditra ao anatin’ny faritra hanaovana ny Fitampoha amin’izay ny rehetra. Manalavitra ny « rivotsy » na ilay trano lay izay misy ny Dady. Rehefa vita izany dia manao miditra amin’ny fanaovana sorona omby ary maka ireo Dady sy ireo fitaovana nampiasain’izy ireo fony fahavelony ireo Sazoky sy ireo vehivavy sasany ka mitondra izany eny amin’ny rano ary miditra tsirairay izy ireo manao ny fampandroana ireo Dady. Rehefa vita izany dia hatsatoka eo ambonin’ilay atao hoe bararata mena iero Dady avy nampandroina mba hamainina alohan’ny hanaterana azy indray any amin’ny Zomba na ny fasana ny marainan’io fotoana io.
Maro ny fomba Malagasy, samy manana izany avokoa ny faritra tsirairay sy ireo vondron’olona isan-karazany. Tsy natao hifankahalana anefa izany fa natao hifampizarana sy hifankahazoana tsara satria sarobidy ny fahasamihafana na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona.
Miora Raharisolo
