Soudan du Sud : Manodidina ny 1,4 tapitrisa ny zaza latsakin’ny 5 taona iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo
Ankoatran’i Madagasikara dia isan’ireo firenena tena voakasikin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa i Soudan du Sud. Raha ny fanazavan’ny fikambanana Save The Children dia miatrika ny krizin’hanoanana lehibe indrindra teo amin’ny tantarany i Soudan amin’izao fotoana.
Raha tsiahivina dia niatrika tondra-drano nandoza i Soudan tao anatin’ny 4 taona ary nandrava toeram-ponenena sy fambolena maro izany. Niteraka valan’aretina Malaria ihany koa io loza voajanahary io. Nosokajian’ny talen’ny fikambanana Save The Children, Jib Rabiltossaporn ho isan’ireo firenena 5 marefo indrindra manoloana ny fiovan’ny toetry ny andro i Soudan du Sud manoloana izany. Marihana fa tafiditra ao amin’io lisitra io i Madagasikara.
Nanamafy kosa ny ONU fa mila fanampiana maha-olona ny 8,9 tapitrisan’ny mponin’i Soudan du Sud amin’izao fotoana. Efa misahana ny 71% ny mponina ao an-toerana nefa io isa io.
