Talata Volonondry: Tonga nampahafantatra ny MAP Plus tao an-toerana ny filoha teo aloha
Tonga tao amin’ny kaominina Talata Volonondry ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, ny herinandro lasa teo nampahafantatra ny mponina ao an-toerana ny vinam-piarahamonina MAP Plus. Voakasika ao anatin’izany moa ny seha-pamokarana fototra izay anisan’ny fiveloman’ny mponina ao an-toerana.
“Tsy maintsy atao izay hanampiana ny tantsaha rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ny fanamorana ny fahazoana ny zezika, ny masomboly, ny fanarenana sy fanamboarana lakan-drano izay manondraka ny tanimbary sy ny tanimboly satria izany rehetra izany no miantoka ny famokarana ho an’i Madagasikara » hoy ireo tomponandraikitra tonga teny an-toerana.
“Anisan’ny ilain’ny mponina ety ifotony ny vinam-piaraha-monina tahaka. Ny hirariana dia mba tsy ho resa-be fostiny ihany izany fa hisy ny fampiarana ary maharitra fa tsy mandala fotsiny ihany, izany no hany antoka mampandroso ny ety ifotony” hoy i Fidy, mpahay fiaraha-monina.
Amin’izao fotoana izao moa, anatin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ireo kandida ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana izay atao eto Madagasikara ny 09 Novambra izao. Tafiditra indindra ao anatin’izany fampielezan-kevitra izany izao hetsika fampahafantarana izao.
Manitra R.
