Canada : Fiara fitateram-bahoaka iray nandona toeram-pitaizana ankizy, zaza roa no maty
Mpitondra fiara fitateram-bahoaka iray no nandona toeram-pitaizana ankizy tao Laval, Montréal ao Québec raha ny tatitr’ireo manam-pahefana tao an-toerana. Zaza roa no maty manoloana izany ary enina kosa no naratra. Maty teo no ho eo ny iray tamin’ireo zaza, raha nandritra ny fitanterana azy tany amin’ny hopitaly kosa no maty ilay zaza iray faharoa.
Ny ray aman-drenin’ireo ankizy nanatitra ny zanany no nisambotra io mpamily io taorin’izany ary raha ny fanazavan’izy ireo dia niboridana tamin’ny ampahany ary nikoropadropaka io lehilahy io tamin’ny fotoana nisamborana azy. Fihetsika niniana natao kosa ny an’io mpamily io raha ny filazan’ny lehiben’ny polisy tao Laval, Pierre Brochet saingy mbola tsy fantatra mazava ny anton’izany.
Efa nosamborina sy natao fanadihadiana io mpamily 51 taona io saingy tsy noampangaina. Marihina fa tsy mbola manana firaketan-keloka izy talohan’io tranga io.
