Australie : Zaza telo nijanona roa andro tao anaty fiara niharan’ny lozam-pifamoivoizana
Ankohonana kely iray nikasa nanao fety tany amin’ny reniben’ny ankizy no niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny herinandro lasa teo. Olona dimy no tao anatin’ny fiara, mpivady antsoina hoe Jake Day, 28 taona sy ny vadiny Cindy Braddock, 25 taona ary ny zanak’izy ireo 1, 2 ary 5 taona.
Maty teo no ho eo izy mivady ireo ary taraiky tao anatin’ny fiara nandritra ny 2 andro kosa izy 3 mianadahy. Nisedra hafanana teo 30 degrés C teo izy ireo ary tsy nisotro na nihinana sakafo. Marihana fa teny amin’ny lalana foana no nisehoan’ny loza na dia izany aza mahagaga ihany ny tsy nahitan’ireo mpandalo vitsivitsy ny fiara hoy ny mpanolotsaina monisipaly ao Kondinin, Bruce Browning.
