ActualitésTsidika

Vary 6 000 taonina no tonga ao Toamasina

Nigadona ao Toamasina ny vary nafarana hamatsiana ny Tsena mora sy handanjalanjana ny vidim-bary eny an-tsena. Nanambara ny tompon’andraikitry ny Tsena Mora fa tao amin’ny seranan-tsambo lehibe ny vary 6 000 taonina. « Natao ity hetsika ity mba hanakaikaizana anareo sy hanenana ny fahasahirananareo fa indrindra hivarotana vary amin’ny vidiny mirary aminareo eny amin’ny tsena mora » hoy hatrany izy ireo.

« Tafiditra ao anatin’ny paikadim-panjakana ankapobeny ny fanafarana vary » hoy ny tompon’andraikitra iray ary nanamafy izy fa hifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana izany. Ao amin’ny lalànan’ny fitantanam-bola 202 dia manomana ireo manam-pahefana fa « hanafatra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanadro » mba hialana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ankoatry ny fanafarana entana dia mikasa hanangana fitahirizana ny vary avy eto an-toerana ihany koa ny fanjakana.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire