ActualitésTsidika

Hetsika hiarovana ny moron-dranomasin’i Toamasina

Sarobidy ny moron-dranomasina ka tokony ho arovana araka izay tratra. Tsy ny fanjakana irery no voakasik’izany fa indrindra isika mpampiasa ny moron-tsiraka mba hazoto hikolokolo azy hatrany.

Hatsanagana ny foto-drafitr’asa manamorona ny morontsrak’ i Toamasina mba hiarovana ny moron-dranomasina manaraka ny lalana Ratsimilaho izay mirefy 500 m hoy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Miainga amin’ny Tanio hatreo amin’ny sakeli-dalana alohan’ny Lycée Rabemananjara, hoy ny teknisianina.

Maro ny loza hahazo ny moron-dranomasina raha tsy mis ny fiarovana amin’ny mety hikaohan’ny ranomasina izany. Nisy araka izany ny fanadiovana sy ny fanamarinana ny moron-dranomasina ary efa nandalo fandinihana ny asa hoy ny tompon’andraikitra amin’ny fananganana. Vinavinaina ho 37% ny asa no efa vita soa amn-tsara. « Efa nanontany anay tety amin’ny manodidina izy ireo talohan’io asa io ary hinoana fa tena ho voaaro tokoa ny moron-dranomasina amin’izany » hoy ny mponina teny amin’ny manodidina ny moron-tsirak’i Toamasina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire