MaTP : Fiarovana ny tompon-tany
« Mila taratasy fankatoavana avy amin’ny tompon-tany vao afaka mitrandradraka harena ankibon’ny tany » hoy ny MaTP rehefa nitondra fanazavana mahakasika ny fitompoan’olon-tsotra ny tany tsy vita « titre ».
Entina hiarovana ny tompon’ny tany amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny filan’ny fanjakana tany amin’ny tombontsoa iombonana hoy izy ireo hatrany. Eo ihany koa ny fanitsiana sy ny fanatsarana ary ny fanarahana ny tranga ts voafaritra ao anatin’ny fampandehanana ny fitantanana ifoton’ny fananan-tany nandritra ny 15 taona.
Voafaritra ao anatin’ny 15 taona ny faharetan’ny fe-potoana sy fanajariana ny tany, raha ny fanazavan’ny ministera. Tokony heverina noho izany ny fitompon’olon-tsotra ny tany tsy vita titra sy manavaka na manilika karazana sy sokajin-tany hafa tafiditra na tsy mahafeno ny fepetra takin’ny lalàna hoy izy ireo hatrany.
Nicole Rafalimananjara
