SocialTatitra

Nahoana ny ankamaroan’ny fiaramanidina no fotsy ?

Efa samy nahatsikaritra angamba isika fa fotsy ny ankahamaroan’ireo fiaramanidina. Manana safidy malalaka amin’izay loko tiany nefa ireo kaompania an’habakabaka. Tsy tokana fa maromaro ny anton’io safidy io, anisan’izany ny mora ahitana azy. Tsy ny mora ahitana azy eo an’habakabaka ihany nefa fa ny mora ahitana izany mety fahasimbana sy fitsiarana rehetra eo amin’ny fiaramanidina.Ara-toekarena kosa no tena anton’io safidy io hoy ny loharano. Ny fotsy no loko mora indrindra raha ny fanazavany ary lafo dia lafo ny mandoko fiaramanidina iray noho ny habeny sy ny noho ny loko tsy maintsy tsindriana. Loko mitaratra indrindra ihany koa ny fotsy, mitroka ny hazavana ka mampiena ny hafanana ka mampangatsika vetivety ny fiaramanidina. Ankoatra izay dia fotsy no loko hangatahin’ny ankahamaroan’ireo mpividy sy mpanofa fiaramanidina.

Laisser un commentaire