Mihasimba ny lalàna amin’ny RN2
Mihabetsaka ny lava-davaka amin’iny lalàna any amin’ny Atsinanan’ny nosy iny. « Ireo efa teo ihany koa dia nihitatra noho ny orana ao an-toerana » hoy ny fanazavan’ny teknisian’ny asa vaventy ny alarobia teo. Eo anelanelan’i Sahavalaina sy Ambodibônara ary eo amin’ny fiviliana Brickaville-Toamasina no tena hiaran’ny fahasimbana, lalàna 40 kilometatra eo no voakasik’izany.
« Adiny fito ny hanaovana an’i Antananarivo-Toamasina raha ny tokony ho izy saingy noho io fahasimbana io dia miampy ora roa izany » hoy ny mpamily iray. Miezaka ny tsy mandeha alina intsony izy ireo raha ny fanazavana noho ny fanararaotan’ny mpanafika ny fandehanana mora. « Efa napetraka ny mpanao lalana saingy tsy mbola manomboka ny asa noho ny tsy fahampian’ny fitaovana, fa tsy ho ela intsony izany » hoy kosa ny mpitondra tenin’ny ministeran’ny fananjariana ny tany sy ny asa vaventy.
Tsy ho vita manontolo nefa lalàna raha ny fanazavany noho ny teti-bola amin’izany. Tsy tokony efa misy vola voatokana ve amin’ny fanatanterahana ny asa toy izany ?
Hasina Rasamimanana
