30 jolay : Andro manerantany ho an’ny finamanana
Androany 30 jolay no andro iraisam-pirenena ho an’ny finamanana. Tamin’ny 2011 no nanambara ny firenena mikambana fa ny 30 jolay no andro entina hampivelarana ny finamanana eo amin’ny vahoaka, eo amin’ny firenena, eo amin’ny kolontsaina ary eo amin’ny tsirairay mba hisian’ny filaminana eo ami’nny fiarahamonina.
Zava-dehibe tokoa ny fampanjakana ny finamanana mba hanjakan’ny fitiavana ary hiadana sy ho finaritra ny firenena. « Manentana ny governemanta tsirairay na vondron’olona na ONG izahay mba hikarakara hetsika fampivondronana ny olona mba hanamafisana na hiterahan’ny finamanana hisian’ny firaisan-kina » hoy ny avy ao amin’ny ONU.
« Zava-dehibe eo amin’ny fiainana ny finamanana, satria sady manokatra ny fo sy ny saina no harena maharitra » hoy i Serge, mpikaroka momba ny fiarahamonina eny amin’ny anjerimanontolo. « Ny taotrano tsy hefan’ny irery » sy ny hoe « Ny firaisan-kina no hery, izay mitambatra vato, izay misarako fasika » hoy ny ohabolana Malagasy. Tsara ny fiombonana ao anaty finamanana, tsy irery isika eto an-tany fa eo mandrakariva ny namana. Koa araraoty izao andro natokana ho an’ny namana izao mba hanaporofoana fa eo lalandava isika manohana azy ireny.
Nicole Rafalimananjara
