ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Miparitaka ny rano maloto noho ny fahatsentsenan’ny fantsona

Miparitaka ny rano maloto ary mitondra fofona maimbo manelingelina ny fiaraha-monina vokatry ny fahatsetsenan’ny fantsona mitondra ny rano maloto, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Mimenomenona araka izany ireo mponina manoloana izany ary miandry ny tompon’andraikitra hitondra vahaolana.

« Ny mponina no tsy mitandrina manoloana ny fiparitahana sy fahatsetsenan’ny fantsona mitondra rano toa izao. Tsy tokony hanary rano misy ventiny amin’ny lakan-drano satria ireny no mitondra ny fahatsentsemana » hoy i Haritiana, teknisianina momba ny foto-drafitr’asa.

“Ny mponina no tomponandraikitra voalohany fa tsy tokony hiantso vonjy amin’ny kaominina izy ireo raha mipritaka ny rano maloto. Tsy ampy ny fanabeazana eto amintsika ka raha vao misy ny olana dia miantehitra amin’ny hafa vao mandray fepetra » hoy i Salohy, mpianatra momba ny fiaraha-monina.

Ao anatin’ny fanajana ny fiaraha-monina ny fametrahana lalana ho an’ny fahadiovana. Samy tomponandraikitra araka izany ny olom-pirenena tsirairay manoloana izany fa tsy hiandry ny tomponandraikitra. Ao anatin’ny fahadiovana sy fidiovana tokoa no mampirindra sy mampilamina ny fiaraha-monina ary rehefa tsy mandoto dia efa madio.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire