ActualitésTatitra

Etats-Unis : Namokatra vokatra vaovao amin’ny tsiro hafakely ny Coca-Cola

Taorian’ny fanaovany fanavaozana dia nanomana famokarana zava-pisotro misy tsiro miavaka indray ny orinasa Coca-Cola. « Coca-Cola Zero Byte » no anaran’io vokatra vaovao io ary ahatsapan’ny mpanjifa ny tsiron’ny « pixels » izy.« Ny Coca-Cola Zero Sugar Byte dia natao hatsapan’ny tanana ny tsiron’ny « pixeks » izay tsy azo tsapain-tanana » hoy ny Oana Vlad, tale jeneralin’ny stratejin’ny Coca-Cola. Raha ny voalazany dia ho tsapa toy ny tsiron’ny Coca mahazatra ihany io zava-pisotro io saingy ahatsapana « singa mamirapiratra » (élément brillant) any am-piandohana ary fangatsiatsiahana (rafraîchissant) any amin’ny farany.Ho amidy ao Etats-unis manomboka ny 2 May izao ity vokatra vaovao ity mandra-pahalany ny entana. Hitarina ao Amérique latine sy Chine izany avy eo. Zava-pisotro faharoa hafakely novokarin’ny Coca-Cola taorian’ny « Coca-Cola Starlight » naneho ny tsiron’ny « espace » .

Laisser un commentaire