SportTatitra

Pays-Bas : Hiverina hanazatra ny ekipa néerlandais i Ronald Koeman

Nanao fanambarana ny KNVB (Fédération néerlandaise de football) fa ho averina mpanazatra ny ekipan’i Pays-Bas indray i Ronald Koeman ny taona 2023 izao aorian’ny « Coupe du Monde » ao Qatar. Raha tsiahivina dia mpanazatra ny FC Barcelone i Ronald Koeman nandritra 14 volana ary voaroaka ny volana oktobra teo noho ny faharatsian’ny vokatra nomen’ny ekipa nandritra ny Liga.Marihina ihany koa fa efa nanazatra io ekipan’i Pays-Bas io ity mpanazatra ity ny taona 2018 hatramin’ny taona 2020. Ity fifanarahana vaovao nataony ity kosa dia tsy hifarana raha tsy ny taona 2026. « Faly amin’ny fiverenan’i Ronald Koeman izahay, tena nahafa-po ny vokatra nomeny nandritra ny fe-potoana niasany voalohany » hoy i Marianne van Leeuwen, talen’ny baolina kitra matianina ao amin’ny KNVB.

Laisser un commentaire