Pays-Bas : Van Gogh-Roosegaarde, lalam-bisikileta hafakely
Ny sary hosodoko nataon’i Vincent van Gogh (1853-1890) antsoina hoe «Nuit étoilée » no nakan’ny mpahay zava-kanto Daan Roosegaarde haingam-panahy namboarana ny lalam-bisikileta « Van Gogh-Roosegaarde ». Eo anelanelan’i Nuenen sy Eindhoven (La ville des Lumières) no misy azy. Mirefy 600 metatra ny lalam-bisikileta « Van Gogh-Roosegaarde », nandraiketana vato mazava alina sy miloko izy izay mahatonga azy manome ny endriky hosodokon’i Vincent van Gogh. Mifahana amin’ny alalan’ny hazavana ireo vato ireo rehefa andro ary mamoaka ny hazavana rehefa alina.
