ActualitésTsidika

Tanora : Misy ny hetsika ho an’ny tanora te hiasa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 26 jolay tetsy amin’ny Alliance Française Andavamamba ny « Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi » andiany faha-6. Haharitra 5 andro ny hetsika ho entina hanampiana ireo tanora te hiditra ao anatin’ny tontolon’ny asa.

« Mizara roa ny fandaharam-potoana. Ny telo andro voalohany dia natokana ho an’ny fampiofanana sy fifanankalozana izay miompana amin’ny lohahevitra maro. Ny roa andro farany kosa dia natao ho an’ny fampiratiana hiarahana amin’ny orinasa sy mpandraharaha maro » hoy ny mpikarakara, Rakotondrazanany Hasina. « Tanora maherin’ny 10 000 no kendrena ho tonga sy hisitraka ireo tolotra maro amin’izany raha 8 000 teo foana no tonga nandritry ny andiany teo aloha » hoy hatrany izy.

Antenaina ahita izay tadiaviny izay rehetra tonga eny an-toerana rehefa tapitra ity dimy andro ity. Isan’ny manohana ny hetsika ihany koa ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire