ActualitésTsidika

Alasora : Ho hentitra amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny tompon’andraikitra

Tontosa ny 5 oktobra teo tao Alasora ny fikaonan-doha teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitondra fanjakana rehetra tao Avaradrano, indrindra ny tao Alasora mikasika ny tsy fandriam-pahalemana izay mampikaikikaiky ny mponina. Matetika loatra mantsy ny fanafihana ao anatin’ny Kaominina Alasora ka tapaka fa ho ampiana ireo Zandary hiaro ny mponina any an-toerana. »Isaorana ny solombavambahoaka mirahalahy, ny sefo Distrika Avaradrano, Ny vondromparitry ny Zandarimaria eto Antananarivo, Ny Délégué militaire eto Analamanga, Ny Komisaria eto Alasora, Ny Poste Avancé Zandarimaria Alasora, tamin’ny fivoriana fikaroham-bahaolana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny Kaominina misy antsika » hoy ny Ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Hisy zandary 45 hanampy ireo efa eto amin’ny kaominina Alasora ary hisy ny sakana eny an-dalana ataon’ny mpitandro filaminana sy ny andrimasom-pokonolona ary tsy maintsy mikatona amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana sy fialam-boly rehetra » hoy ny mpitandro filaminana ao Alasora. »Enga anie ka tena hisy fiatraikany tokoa eo amin’ny filaminam-bahoaka izao fepetra raisina izao satria tena mijaly sy tsy mandry andro aman’alina izahay vahoaka » hoy i Lalaina, mponina ao Alasora. Izany no natao dia entina hanomezana vahaolana mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana izay mampikaikaika ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Alasora.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire