Brésil : Luva de Pedreiro, zanaka tantsaha lasa olo-malazan’ny tambajotra sosialy
Efa mahatafita tokoa ny tambajotra sosialy amin’izao fotoana. Porofon’izany i Iran Ferreira fantatra amin’ny anarana hoe Luva de Pedreiro ao amin’ny tambajotra. Nianga tamin’ny fakan-tsary sy baolina ary ny talentany io tovolahy ka lasa isan’ireo mpikatroka eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malaza indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ao amin’ny tambajotra sosialy.
20 taona monja ny tovolahy ary manana mpanaraka 16 tapitrisa ao amin’ny tambajotra Instagram ary 17 tapitrisa ao amin’ny TikTok. Herinandro vitsivitsy monja dia nalaza i Luva de Pedreiro noho ny fahaizana manatontosa « gestes techniques » tena henjana amin’ny baolina kitra ao amin’ireo horonantsary fohy zarainy.
Io lazan’i Luva de Pedreiro io nahafahany nividy trano ho an’ny ray aman-dreniny izay tantsaha. Nanazava ny tovolahy fa afaka mitondra fampiononana ho an’ny ray aman-dreniny izy ary hanonitra ny tolona nataon’izy ireo ho azy nandritra ny taon-tsarotra maro.
