ActualitésTsidika

Manandriana : Tonga ny vary mora

Paik’ady iray ho entina hanamaivanana ny viidn’entana eny an-tsena ny « Tsena Mora ». Ao anatin’izany ny « Vary Mora ». Androany no hanatanterahana izany ao amin’ny Koaminina Manandriana Avaradrano.

« Aoka isika hanaraka hatrany ny lamina apetraka eny an-toerana. Mila mitondra karinem-pokontany isika. Tsy mahazo milahatra kosa ny olona latsaky ny 15 taona » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Manandriana. « Tena manampy be mihitsy ny fisian’ny tsena mora sy ny vary mora. Sitrany ahay mahazo 2 kapoaka raha toa ka 1 kapoaka eny amin’ny mpivarotra mahazatra » hoy i Lanto, mponina ao Manandriana.

Efa saika miparitaka manerana ny distrikan’Avaradrano ity Tsena mora ity. Tsy vitsy ireo vahoaka liana amin’izany. 

Laisser un commentaire