Belanitra Ilafy : Mandray andraikitra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ihany koa ny fikambanana Plamfe
Nitondra fanampiana ho an’ny Ivon-toeram-pampianarana Mamaky Teny sy Manoratra ary Mikajy ny fikambanam-behivavy « Plame » sy ny orinasa Cofec Tex. Ivon-toerana iray eo ambany fiahian’ny Kaominina izy io.
« Tsy mitsaha-mitombo ireo fikambanana maneho fahatokisana ny mpitantana eto amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy. Misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Koaminina » hoy ny ben’ny tanàna, Rajaonah Rija. « Nitsidika ara-pomba sy fanajana ny ben’ny tanàna aloha izahay vao nanome ny fanampiana. Hitohy ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina hofanasoavana ny mpiara-belona » hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ihany koa izao hetsika izao raha ny nambaran’ny ity filohan’ny fikambanana ity.
Iaraha-manatanteraka tokoa ny fandrosoana. Ny fijoroan’ny fikambanana maro samihafa no hery iray hanatrarana izany.
