Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fanadiovana ny lakan-drano
Isan’ny antony iray lehibe mahatsentsina ny lakan-drano ny fanariana fako ao anatin’izy ireny. Faritra maro tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy no nanaovana fanadiovana lakan-drano.
« Mitohy hatrany ny fanadiovana ireo lakan-drano amin’ny faritra maro ato anatin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy. Ho very maina anefa ny ezaka manokana ataon’ireo ekipa mpanadio raha tsy ny tsirairay no tonga saina. Tsara ny manaja ny fahadiovana sy tsy hanary fako any anatin’ireny lakan-drano ireny » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy. « Isika ihany no samy hizaka ny vokany teo raha tsy tia fahadiovana. Ao anatin’ny fahavaratra isika izao, Betsaka ny mitaraina sy tra-boina mihitsy aza noho ny fiakaran’ny rano. Tsy ampy ny lalana ivoahan’ny rano noho ny fanatsetsemantsika fako ny lakan-drano » hoy i Marius, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Fihetsika eritreretintsika ho tsotra ny manary fako etsy sy eroa, ary tsy hananan-tahotra. Manimba tsikelikely ny tontolo iainana anefa izy ireny. Tsara raha samy mandray andraikitra ny rehetra.
