ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nangataka ny fanalana an’i Moscou ao amin’ny Filankevitry ny Zon’olombelona ao amin’ny ONU

Nanolo-kevitra ny hanesorana an’i Moscou ao anatin’ny Filankevitry ny Zon’olombelona ao amin’ny ONU ny ministry ny raharaham-bahiny Antony Blinken ny talata teo nandritra ny fivoriana an-jotra nataon’izy ireo.Nametraka fanontanina amin’ireo mpikambana hafa izy raha tokony mbola hanana zo hijanonana ao main’ny filankevitra ny fanjakana iray mpikambana ao amin’ny ONU mikasa hibodo fanjakana iray hafa mpikambana ao amin’ny ONU ihany koa amin’ny fomba manitsakitsaka ny zon’olombelona tanteraka.Nanamafy izy fa ny fandresen’i Vladimir Poutine an’i Ukraine dia hampitombo ary hanamafy ny krizy eo amin’ny mahaolona sy ny zon’olombelona ao amin’io voatafika firenena io.

Laisser un commentaire