France : Handefa miaramila 9 500
Roa andro taorian’ny fanafihan’i Russie an’i Ukraine dia nilaza ny état-major ao France fa miaramila maherin’ny 1 500 no handray anjara mivantana amin’ny ady, izay iraka fanamafisana ny toeran’ny OTAN eo amin’ny ilany atsinanana.Nanamafy izy fa miaramila avy ao France miisa 9 500 no ahetsika na homanina manomboka faran’ny herinandro izao. Marihina fa miaramila 500 mahery no efa nalefa tao Roumanie, manodidina ny 300 tao Estonie, ary anjatony hafa no ho alefa ao amin’ny Pays Baltes miaraka amin’ny fiaramanidina Mirage 2000-5 efatra ho avy.
