France : Fanomezana alalana ara-dalàna ny rongony, hevitra tsara nefa tsy atokisana hoy i Castex
Misalasala manoloana ny fanomezana alalana malalaka amin’ny fampisana ny rongony ao Frantsa ny praiministra Jean Castex. Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazetin’ny France 24, Samuel Etienne no nanambarany fa efa iaraha-mahalala ny voka-dratsy ateraky ny fandraisana rongony, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Maro hoy izy ny fikarohana manoloana ny hoe afaka ampiasaina hanasitranana ny rongony. izay ilay lafiny tsara. Hirongatra ny fivarotana ny rongony noho izy ara-dalàna aorian’izay ary hanano sarotra ny fifehezana azy. Misy ihany koa ireo olona mametra-panontaniana manoloana ny hoe fa maninona ny toaka sy ny sigara no raràna raha ohatra ka omena alalana ny rongony hoy i Castex. Nambarany fa misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana ny fisotroana be loatra tsy ampiheverana ny toaka. Eo ihany koa ny fahafatesana mety ateraky ny sigara. Tsy mbola nisy fikarohana manokana ny amin’ny ahafahan’ny sigara sy ny toaka manasitrana aretina hoy izy. Fa na izany aza, tsy tokony ho maika ihany koa amin’ny hanomezana alalana ny famarotana sy ny fanjifana rongony raha tsy mahita vahaolana maharitra ifehezana ny mety ho vokany.
