France : Faharesena nanoloana ny Portugal, tafakatra ho amin’ny fifaninana JO ihany amin’ny hand ball.
Na teo aza ny faharesen’ny ekipa handballeur frantsay nanoloana an’i Portugal, tafakatra ho amin’ny fifaninana jeux olympiques (JO) izay atao any Tokyo, Japon ihany izy ireo. Fandresena 2 amin’ny fifandonana 3 no azon’izy ireo ka izao nahatafakatra azy izao. Notanterahina ny alahady 14 martsa tao Montpellier io fifaninana nahazoan’ny mpilalao frantsay tapakila ho amin’ny JO io. Fandraisana anjara faha-8 amin’ny JO ity ho atrehan’izy ireo ity. Niady ny amboara eran-tany 2021 amin’ny taranja handball tany Egypte ny ekipa frantsay enina herinandro lasa izao, ary izao tafakatra amin’ny fifaninana JO izao indray.
