Seychelles : Hisy ny fandraisana mpiasa misahana fiambenena ny fiambenana ny sisintany
Nisitraka sambo « patrouilleurs rapides » efatra tamin’ny émirat ny Barhein ny nosy Seychelles. Tafiakatra 14 isa noho sambo miandraikitra ny fiambenana ny sisintan’izy ireo. Ny eo amin’ny mpanamory izany nefa no tsy ampy ka manao fanentanana fandraisana mpiasa sy fanofanana ireo tompon’andraikitra.
Raha tsiahivina kosa ny tanteran’ireo fanomezana avy any amin’ny émirat ny Barhein ireo dia nanomboka tany amin’ny taona 2019. Tonga nitsidika ny émirat ny filohan’i Seychelles tamin’izany ary nampanantena « vedettes rapides » roa ho an’ny nosy ny émir tao an-toerana. Manoloana ny fisian’ny Covid-19 kosa nefa dia tapaka ny fifamezivezena ka tsy tontosa ny fanaterana ny sambo.
Ho fianalan-tsinin’ny émirat manoloana izany dia « patrouilleurs rapides » efatra, 1200 chevaux no natolotr’izy ireo ho an’i Seychelles.
