Pays-Bas : Zaraina maimaimpoana ny « crème solaire »
Ambony ny tahan’ny olona mitondra ny homamiadan’ny hoditra ao Pays-Bas. Raha ny tatitry ny World Cancer Research Fund dia laharana fahaefatra maneran-tany ahitana io trangan’aretina io betsaka indrindra ny firenena tamin’ny taona 2022. Tsy tafiditra ao anatin’io taha kosa nefa ny « mélanome ».
Mba hampiroboroboana ny fiaravana manoloana ny homamiadan’ny hoditra ao an-toerana dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra fa zaraina maimaimpoana ny « crème solaire » ao Pays-Bas. Ny filan-kevitra monisipaly, ny klioba ara-panatanjahantena ary ireo sekoly samihafa kosa no namolavola izany tetik’asa izany.
An-jatony ireo toerana efa ahafahana misitrika izany « crème solaire » maimaimpoana izany. Mba hampihenana ny fandaniana kosa dia nisy ireo sehatra samihafa toy ny hopitaly VieVuri ao Venlo izay nanodina ireo « distributeurs de gel hydroalcoolique » nampiasaina nandritra ny Covid-19 hampiasaina amin’io tetik’asa io indray.
