Anjeva: Tsy hangina ny tanàna mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena
Manomankomana ny fankalazana ny fety fiverenan’ny fahaleovan-tena ao amin’ny kaominina Anjeva. Ao anatin’izany, mikarakara ary hanolotra podium lehibe mandritra ny roa andro ao amin’ny kianja Salazana ny kaominina Anjeva gara.
« Tsy avela hangina ny tanàna amin’izao fety lehibe, fetim-pirenena izao. Ka noho izany indrindra dia faly ny kaominina manolotra fety ho an’ny mponina sy ny manodidina entina hanamarihana izany fetim-pirenena izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Ao anatin’izany mpanakanto malagasy efa fanta-daza maro no hiseho sehatra ny andron’ny 25 sy 26 Jona.Ankoatra izay, hisy ny afomanga sy ny arendrina ary ny bal populaire izay iarahan’ny rehetra mifaly mandritra ny fety » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
Samy naneho ezaka avokoa ny isaky ny kaominina amin’ny fanomanana seho sy fety ho fanamarihana ity faha 63 taona niverenan’ny fahaleovan-tena malagasy ity. Ho an’ny Anjeva manokana dia efa niandry fatratra izao fikarakarana izao ny mponina.
Manitra R.
