Mpivady sy tovolahy iray hafa mbola tena tanora no tratra nisoloky
Mahazo vahana ny sera fisolokiana amin’izao isika ao anatin’ny ady amin’ny Covid-19 izao. Betsaka tokoa mantsy ireo voatery nandao ny asany nandritra ireny hamehana ara-pahasalamana teo aloha ireny.
Manoloana izany indrindra dia tsy mikely soroka ny polisy, ary vao maika aza tena nitombo ny asany saingy manao araka izay tratra izy ireo. Mpivady sy tovolahy iray samy mpisoloky no tratran’ny polisy teny Androndra sy Ampamantanana. Mody niantso ny raim-pianakaviana iray izy ireo tamin’ny laharana miafina ary nolazain’ireto mpisoloky fa mila mandoa vola 10 000 000 Ar izy fa hananan’izy ireo vola ny zanak’ilay raim-pianakaviana.
Nandrahona ny hamono ilay zanany izy ireo raha tsy voaloa araka ny fotoana notondroin’izy ireo ny vola. Fandrahonana maro ankoatr’izay no azon’ity raim-pianakaviana ity taorian’io antso voalohany io. Niantso ny polisy avy hatrany ity raim-pianakaviana ka nosokafana ny fanadihadihana. Tratra teny Androndra ny mpivady iray, vehivavy 34 taona sy lehilahy 24 taona, ary teny Ampamantanana kosa ilay tovolahy hafa namany izay 19 taona no tratra. Akory ny hatairan’ilay mpitory fa olona fantany ihany ireo olon-dratsy ireto ary tsy vao sambany ireto farany no manao ny asa fisolokiana tahaka izao.
Matetika tokoa mantsy tsy maintsy ny manodidina ihany izay mahalala tsara ny momba antsika no mahasahy misoloky indrindra fa ny fakana an-keriny. Mila mitandrina hatrany araka izany, tsy mendrika fahatokisana avokoa mantsy ny olon-drehetra manodidina.
Nicole Rafalimananjara
