Samy miziriziry amin’ny heviny mikasika ireo omby voaangona ny any Anjiamangirina
Nanjaka ny tsy fandrim-pahalemana tao Anjiamangirina. Miha mitombo hatrany ihany koa ny fitarainana voarain’ireo zandary amin’izao manoloana ny halatr’omby. Nanatanteraka savahao ny vahoaka sy ny tompon’andraikim-panjakana teo anivon’ny kaominina Anjiamangirina ka nahavoaangona omby maro nandritra izany. Raikitra anefa ny savorovoro teo amin’ny tompon’andraikitra sy ny vahoaka satria misy ny tsy fitovian-kevitra ny amin’ny hanaovana ireto omby ireto. Ny tompon’andraikitra milaza fa hiroso amin’ny fizaràna ireo omby ireo, izay milaza fa tsy hihemotra amin’izany. Tetsy an-kilany kosa miziriziry amin’ny heviny ny mba tsy hanaovana izany fizarànaizany ny vahoaka.
Nafampana ny toe-draharaha, ary raha ny vaovao farany voaray aza dia mbola samy miziriziry amin’ny heviny izy ireo. Mila karohina ny tena tompon’ireto omby ireto satria mafy izany very fananana izany hoy ny vahoaka iray teny an-toerana. Tsy fantatra ny tompony, koa tsy aleo zaraina ny omby hoy ny tompon’andraikitra iray. Inona anefa no tena fanampahan-kevitra mety ?
Nicole Rafalimananjara
