ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hotanterahina amin’ny alahady ny lalao famaranana baolina kitra « ady omby »

Ho tanterahina amin’ny alahady ho avy izao ny lalao famaranana eo amin’ny taranja baolina kitra, izay atao ao Ankarongana, fokontany Antanetibe Ikianja, kaomininina Ambohimangakely. Lalao famaranana ady baolina kitra telo sosona no hiseho mandritra io andro io, raha ny voalaza.

« Dieny izao dia manasa sahady ireo mpanohana rehetra ho avy amin’ny alahady 05 febroary io. Ho tanterahana amin’izany ny finale amin’ny tournoi Mafy be, ny final eo amin’ny taranja vehivavy ary ny Final ady omby izay hifandonan’ny FC Tanjona sy ny FC Ankadivory » hoy ireo mpikarakara.

« Hisy ihany koa ny fanentanana isan-karazany mandritra io andron’ny alahady io, hisy ao ny animation DJ entina hampialana voly ny rehetra. Ireo mpanohana sy ny mpijery sisa handrasana fa hiady ny lalao famaranana io » hoy hatrany ny mpikarakara.

Ny alahady 05 febroary ho avy io moa no hanatanterahana ireo lalao telo sosona ireo, izay hanomboka amin’ny 11 ora sy sasany. Andrasana araka izany ny fahatongavana sy ny fanohanana avy amin’ny mpankafia baolina kitra ao Ambohimangakely.

Manitra R.

Laisser un commentaire