ActualitésTatitra

Seychelles : Laharana voalohany amin’ny ady amin’ny kolikoly aty amin’ny ranomasimbe indianina

Laharana faha-23 amin’ny firenena 180 isa nalahatry ny Transparency International manoloana ny ady amin’ny kolikoly ny nosy Seychelles ary laharana voalohany ary amin’ny ranomasimbe indianina. Manakaiky an’i France izay laharana faha-22 io laharanan’ny nosy io. Mahatratra 70/100 kosa ny naoty nomen’ny Transparency International an’i Seychelles.

Laharana voalohany ao amin’io filaharana io i Danemark, Finlande, Norvège ary Nouvelle Zélande. Laharana faha-49 kosa ny nosy Maurice raha laharana faha-142 amin’ny firenena 180 i Madagasikara. 26/100 ny naoty nomen’ny Transparency International ny firenena izay mitovy ny tamin’ny taon-dasa ihany. Raha ny tatitr’io fikambanana nanao ny fanadihadiana io dia 0,1% ny tetibolan’ny fanjakana eto Madagasikara ihany no voatokana ho an’ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly.

Mbola any aorian’i Madagasikara kosa no misy ny nosy Comores izay laharana faha-167 ary manana naoty 19/100.

Laisser un commentaire