Masindray: Ho tapaka ny lalana mandritra ny faran’ny herinandro
Hisy ny fahatapahan-dalana izay mampitohy an’ny kaominina Masindray sy ny kaominina Ambohimanambola, rahampitso sabotsy 04 febroary sy alahady 05 febroary noho ny fanamboarana ny tetezana ao atsimon’ny orinasa Maloci. Hiato araka izany ny fampiasana ny tetezana sy ny fivezivezena ao an-toerana.
Manitra R.
