Etats-Unis : Tovolahy tsy hita nanomboka ny taona 2015 no niverina hita indray
Tovolahy antsoina hoe Rudolph Farias tsy hita nanomboka ny taona 2015 tao avaratra andrefan’i Houston no nipotra indray 8 taona taorian’ny tsy nahitana azy. Teo amin’ny faha-17 taonany no tsy hita io lehilahy io ary 25 taona ny tenany amin’izao fotoana. Nandeha nitondra alika nandendeha kosa no nivoahany ny trano tamin’izany ary hita ireo alika nandritra ny fikarohana tamin’ny taona 2015. Marihana fa tratran’ny « dépression », « trouble de stress post-traumatique » ary « anxiété » i Rudolph Farias tamin’ny fotoana tsy nahitana azy.
Rehefa tsy nahitam-bokany ny fikarohana an’io tovolahy io dia naato ny volana septambra 2018. Teo alohan’ny fiangonana iray kosa no hita tsy nahatsiaro tena, naratra, feno fery sy mangana i Rudolph Farias. Efa naverina any amin’ny fianakaviany ilay tovolahy amin’izoa fotoana ary nanazava ny reniny fa efa manaraka fitsaboana manoloana ny ratra sy ny fahoriana (traumatisme) niainany io tovolahy io. Hatreto dia tsy mety miresaka ilay tovolahy ary mbola tsy fantatra mazava ny fiainany sy ny mety sedra nolalovany tao anatin’izay 8 taona tsy nahitana azy izay.
