Ankadikely Ilafy: Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Andombontany
Nitrangana lozam-pifamoivozana tao amin’ny lalam-pirenena faha telo, tao Andombontany, kaominina Ankadikely Ilafy, ny faran’ny herinandro teo. Fiara tsy mahataho-dalana iray no nivadika nandritra izany. Tsy nisy ny aina nafoy. Araka ny nolazain’ny avy ao amin’ny kaominina, matetika no hitrangana lozam-pifamoivoizina eo amin’io lalam-pirenena io.
“Matetika loatra ny lozam-pifamoivoizana mitranga eo amin’ny lalam-pirenena fahatelo mandalo eto amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Entanina ny mpandeha tongotra hitandrina sy ho mailo hatrany. Tsy ny mpandeha tongotra ihany anefa, fa ilaina ihany koa ireo mpitondra fiara mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, hisorohana ny loza isan-karazany” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
“Ilaina ny fifehezana ny familiana, ary tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fanaovana ny fitsirihana ara-teknika ny fiara. Ny tsy fahatomombanana ara teknika sy ny fifehezana ny familiana matetika no anisan’ny mahatonga ny lozam-pifamoivoizana” hoy ny mpitandro filaminana.
Mila mailo hatrany ny mpampiasa lalana rehetra, na ny mpitondra fiara, na ny mpitondra kodiaran-droa, indrindra fa ny mpandeha tongotra. Tsy ampoizina ny fiavian’ny loza tahaka izao. Tokony ho entitra amin’ny ny fanajana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana ny rehetra mba ho fiarovana ny aina.
Manitra Ramanantsoa
