La Réunion : Nifarana omaly ny fivahinianan’i Karim Benzema tao amin’ny nosy
Raha tsiahivina dia nigadona tao La Réunion ny talata 29 novambra teo ilay mpilalao baolina kitra fanta-daza Karim Benzema niaraka tamin’ny zanany roa. Tsy afaka niatrik ny lalao fiadiana ny tompon-daka eran-tanin’ny baolina kitra tao Qatar izy noho ny ratra nahazo azy. Nanitatra ny fe-potoana nialàny sasatra tao amin’ny nosy kosa izy raha herinandro ihany no fantatra fa tokony nijanonany tao an-toerana.
Niezaka nanatanjatena i Karim Benzema nandritra ny fotoana nijanonany tao La Réunion raha ny fanazavana. Maro ny sary nahitana azy nanao fanatanjahatena niaraka tamin’ny zanany vavy. Fantatra kosa fa hiverina hanao fanazaran-tena ny tenany amin’ny herinandro ho avy izao mba ahafahana miatrika ny lalao ataon’ny Real Madrid sy ny Valladolid ny 30 desambra izao.
