Avaradrano : Misy foana ny hetsika ho an’ny tanora ny alarobia sy ny asabotsy
Manana anajra toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tanora. Ny fanomezana asa sy ny fampialàna voly azy ireo dia isan’ny lalana iray mahomby amin’izany.
« Ny hetsika Moov dia atao isaky ny Alarobia sy ny Sabotsy ao Ankadikely ho an’ny tanora rehetra eto Avaradrano. Hafa tokoa rehefa samy tanora no mifampizara sy mifandray » hoy ny mpikarakara ny hetsika. « Tsara ny miala voly sy manala azy kely rehefa reraky ny asa. Tsy tsara anefa raha be loatra izany izay sary toa lasa sakana tsy mampandroso fa miteraka hakamoana indray » hoy i Ranto, mpahay fiaraha-monina.
Ny fahaizana mifehy ny atao ihany tokoa no antoka iray mampahomby ho an’ny tanora. Tsara raha manorina hoavy mamiratra ka hahay hamehy tena amin’ny atao rehetra.
