Marais Masay : Mpiandraikitra ny Rantsana Fanantenana Avaradrano ilay tra-doza
Mpiandraikitra tao amin’ny rantsana fanantenana eto Avaradrano ilay tovolahy maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny Marais Masay ny 03 may lasa teo.
Raha tsiahivina dia Tao anatin’ny fitohanana, teo afovoany no nisy ny kodiarandroany. Fiara iray hafa nisongona tampoka no nanaitra azy. Tsy voafehiny tampoka ny familiana ka niafara tao ambanin’ny kodiaran’ilay kamiao mpitatitra tany teny Marais Masay. « Mbola nandray anjara tamin’ny filaharam-ben’ny Rantsana Fanantenana teny Avaradrano ny sabotsy lasa teo. Isan’ireo tena mazoto tokoa izy ato amin’ny Rantsana ary izay indrindra no nahavoafidy ho mpiandraikitra azy » hoy ny avy ao amain’ny Rantsana Fanantenana Avaradrano. « 30 taona i Razafindrakoto Toky Heriniaina Hobinirina no izao namoy ny ainy izao. Mpanatitra entana amin’ny kodiarandroa no asany. Olona tsotra tokoa raha izy » hoy ny fianakaviany.
Mpanatitra entana amin’ny kodiarandroa no asany. Mbola hita teny aminy aza ny kiraro saika ho ateriny.
Nicole Rafalimananjara
