Ho tokanana tsy ho ela ny Université de Madagascar ao Miarinarivo
Na dia eo aza ny fiaton’ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo, ny famitana ireo fotodrafitr’asa kosa mbola mitohy hatrany indrindra ho an’ireo faritra ivelan’Antananarivo. Anisan’ny nahazo anjara tamin’izany ny faritra Itasy, izay nametrahana ny Université de Madagascar ao Miarinarivo. Efa vita tanteraka ity fotodrafitr’asa ity ary tsy ho ela no atao ny fitokanana azy. Na izany aza, miteraka resabe ity izy natao ho Université de Madagascar ity. Napetraka ho ambony indrindra amin’ireo oniversity rehetra manerana an’i Madagasikara izany ity ao Miarinarivo ity ? Raha ny fandraisan’ireo vahoaka azy mantsy toa izay, an’i Madagasikara ity anjerimanontolo vaovao ity fa tsy an’ny faritra Itasy ary mipetraka ho lohan’ireo Université lehibe 6 amin’ny renivohi-paritany. Etsy ankilan’izany koa anefa, ny fitokonan’ireo mpampianatra amin’ireo anjerimanontolo hafa ihany amin’izao mirongatra noho ny tsy fandraisana karama. Aiza ho aiza ny fijerena azy ireny fa toa ny toeram-piasana miampy anefa ny karaman’ireo mpiasa tsy voaloha ? Manantena ihany koa ireo vahoaka fa hifanaraka amin’ny fotodrafitr’asa ny kalitaon’ny fampianarana omena ireo mpianatra rehetra.
Ally Herisoananahary
