Fanaovana vaksiny ireo vahoaka any Antsohihy
Mbola ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina covid-19 tanteraka isika izao na dia efa hita taratra aza tao anatin’ny andro maromaro izay ny fihenenan’ny tahan’ireo tratran’ity aretina ity. Mitohy hatrany arak’izany ny fanaparitahana sy fanaovana vaksiny fanefitry ny coronavirus ireo vahaoka. Notohizana tany amin’ny faritra Antsohihy iny izany ady amin’ny covid-19 izany ka natomboka omaly 25 may 2021 ny fanaovana vaksiny izany. Efa nisy ny andiany voalohany tamin’izany ny 21 may lasa teo ary izao mitohy izao indray ka tsy hifarana raha tsy ny zoma 28 may ho izao. Toerana roa no afaka mandray ireo afaka hisitraka izany any Antsohihy ka ao ny Hopitaly be sy ny Zandarimaria Ambalabe. Tsy vitsy kosa anefa na izany aza ireo mbola tsy resy lahatra tanteraka amin’ity fanaovana vaksiny ity na misesisesy aza ny fanentanana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany. Hitohy ary tena ho haparitaka manerana ny nosy ity vaksiny voalaza fa fanefitry ny covid-19 ity. Fa firy isan-jato ny taham-pahombiazan’izy ity ? Tena noho ny vaksiny tokoa ve no nampihena ny tahan’ireo mitondra ny tsimok’aretina ? Sao kosa mba ny resaka toetr’andro amin’izao fotoana ?
Ally Herisoananahary
