ActualitésTsidika

Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny faritra Sofia

Vao tsy ela akory izay no lavo ilay jiolahy raindahiny tany amin’ny faritra Anjozorobe nikoizana tamin’ny fakana ankeriny maro. Tsy mitsahatra ihany koa anefa ny trangana halatr’omby any amin’ireo faritra sasany na dia efa manao ny ezaka rehetra aza ireo mpitandro ny filaminana. Na izany, azo lazaina ho efa nisy ventiny ihany ny rano natsakaina noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana. Hita taratra izany tamin’ny fahatratrarana ireo omby miisa 203 tany amin’ny faritra Sofia nandritra ny savahao natao. Mbola mitohy hatrany ny fisavana sy ny fikarohana ary tsy hijanona raha tsy tratra avokoa ireo omby sy i Jerison, ilay lehiben’ny dahalo. Misy marika avokoa araka ny nambaran’ireo mponina ny omby rehetra nangalarin’ity jiolahy raindahiny any amin’ny faritra Sofia ity ary efa maro ireny no tafaverina amin’ny tompony. Mahagaga ireo mponina ary mampametra-panontaniana hatreto no mbola tsy hahatratrarana azy anefa voalaza fa efa hita ny toerana misy azy. Mangataka ny hanafainganana ny famongorana ity dahalo ity sy hanampiana ny isan’ireo miaramila mpampandry tany any an-toerana ireo vahoaka.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire