Fisokafan’ny taom-piotazana lojy any amin’ny faritra Boeny
Nahitana fiakarana ny kilaon’ny lojy tamin’ity taona ity raha mitaha ny tamin’ny taona lasa. Manomboka ny voalohan’ny volana jona ho avy izao no hisokatra ny taom-piotazana ity voamaina lojy na koa “black eyes” ity any amin’ny faritra Boeny any. Manodidina ny 2000 ar ny kilaon’ity lojy ity eny amin’ireo mpamokatra raha toa ka 1600 ar izany tamin’ny taona lasa. Hisokatra amin’io volana jona io ihany koa ny fanondranana ity vokatra avy ao amin’ny faritra Boeny ity. Ary eo indrindra no mampametram-panontaniana ireo vahoaka hoe amin’ny fomba ahoana ? Raha toa ka mbola mitohy ny famerana ny fivezivezena, tsy afaka hiakatra any an-toerana ireo mpanagom-bokatra ary tsy afaka hivoaka ireo mpamokatra. Eo ihany koa anefa ny fanararaotana ataon’ireo mpaka entana noho ireo mpamokatra tsy afaka hivoaka ivelan’ny faritra misy azy ireo. Ny resaka fanararaotana ataon’ireo mpamongady ity tena mila jerena akaiky ho an’ireo mpamokatra any amin’ny faritra.
Ally Herisoananahary
