Ankadikely Ilafy : Nohavaozina ny biraon’ny fokontany ao Mandrosoa-Ilafy
Tahaka ireo biraon’ny fokontany rehetra ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ao anatin’ny fanavaozana sy ny fanatsarana ihany koa amin’izao fotoana izao ny biraon’ny fokontany Mandrosoa-Ilafy. Araka ny voalaza, ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina izany tetik’asa izany, mba hanomezana loko mitovy azy ireo.
«Ho fanajana ireo manan-draharaha eny anivon’ireny fokontany ireny dia ezahina mandrakariva ny hanatsarana ny toerana sy ny birao. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny fokontany no hahafahana manantanteraka izany” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
«Anisan’ny mila ezaka manaraka ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny birao tahaka izao ihany koa ny eo amin’ny kalitaon’ny asa izay atao. Na eo amin’ny olona mandray, miasa ao amin’ny birao na ny asa izay atolotra mba hanamora ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny mponina izany » hoy i Solo, mponina ao Akadikely Ilafy.
Taratry ny fampandrosoana ny fandraisana an-tanana ireo rafitra eny ifotony, indrindra fa ny fikarakarana azy ireny. Miainga eny ifotony tokoa ny fampandrosoana ka tokony ezahan’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mijery, manara-maso ary mamaly ny hetahetan’izy ireny.
Manitra Ramanantsoa
