Moramanga : Misokatra ny ivontoerana handraisana ireo mararin’ny covid-19
Efa niverina nisokatra ny 5 janoary lasa teo ny ivontoerana handraisana ireo mararin’ny coronavirus ao Moramanga. Efa miparitaka ao Moramanga tokoa mantsy ity aretina ity. Tsy vitsy ireo efa lavony tany an-toerana.
« Niverina nisokatra ny CTC annexe Moramanga manoloana ireo olona tratry ny coronavirus efa lavo » hoy ny Medecin Inspecteur. « Mila manaja ireo fepetra sakana rehetra isiksa. Ny fampianarana izao efa misy fepetra ho an’ny sekoly miankina sy ny tsy miankina amin’ny fanjakana. Hisy ny famendrahana ranom-panafody ny trano fianarana rehetra » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any Moramanga. « Efa miha misokatra indray ny toeram-pitsaboana ny mararin’ny corinavirus. Tsy misangy ny aretina, mila mitandrina isika rehetra » hoy i Faniry, mponina ao Moramanga.
Etsy an-kilany, misokatra isan’andro ireto toerana fanaovana vaksiny. Safidy ary tsy an-tery ny fanaovana izany.
Nicole Rafalimananjara
