ActualitésTsidika

Alasora: Ho tanterahina rahampitso ny fitsarana miaramila

Rahampitso alarobia 07 jona sy ny alakamisy 08 jona no fotoana hanatanterahana ny fitsarana miaramila ao amin’ny kaominina Alasora. Mbola mitohy hatrany ny fanentanana ny tanora ho tonga hanatantereraka izany.

« Rahampitso ny fotoana nifanomezana amin’ireto tanora manomboka amin’ny 19 taona ka hatramin’ny 31 taona hanatanterahana ny fitsarana miarala ety amin’ny biraon’ny distrika Avaradrano. Hanentanana ireo voakasika sy tsy mbola navita ny fitsarana hanatanteraka izany » hoy ny tomponandraikitra avy  amin’ny kaominina.

« Tahaka ny efa fanao isan-taona dia efa vonona avokoa ny fandaminana amin’ny fanatanterahana ny fitsarana miaramila. Ireo tanora no handrasana sy entanina ho tonga mavitrika amin’izany » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

Zava-dehibe ny fahavitan’ny fitsarana miaramila, indrindra ny fahazoana ny karatra ho an’ny fanompoam-pirenena (carte verte). Penina manga sy karapanondrom-pirenana no entina manatanteraka izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire